Ho fantatra amin’ny 16 avrily ho avy izao, eny Ivandry, ny anaran’izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo. Kandidà iray no fantatra fa hirotsaka ho kandidà amin’izany fifidianana izany.
Hotanterahina eny amin’ ny biraon’ny Komity olympika malagasy (Com) Ivandry, ny talata 16 avrily ho avy izao, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo (FMTKD). Mialoha ny fifidianana anefa, hatao amin’io fotoana io ihany koa ny fivoriambe ara-potoana (AG). Hotontosaina amin’
izany ny tatitra ara-maoraly sy ny teknika ary ny ara-bola rehetra nandritra ny fitantanan’ny filoha teo aloha, Ramanantsoa Christian. Raha ny siosion-dresaka heno amin’ izao fotoana izao, hirotsaka ho kandidà amin’ity sehatra lehibe ity ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Rakotomanana Franck. Hametra-pialana
amin’io andraikitra io ny tenany ka hosoloin’ny filoha
lefitra.
Tsiahivina fa tapitra tamin’ny volana avrily 2023 lasa teo ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Ramanantsoa Christian. Ity fifidianana ity, araka izany, izay tokony efa natao ny volana janoary lasa teo, saingy nahemotry ny Federasiona.
Olana nisy teo aloha
Maro ny olana nisy nandritra ny fitantanan-dRamanantsoa Christian, raha ny fitarainana nataon’ireo ligy sasany. Anisan’izany ny tsy maha eto an-toerana ity filoha ity ka mananosarotra ny fifandraisan’izy ireo aminy. Raha ny fantatra, miandry ny baiko avy amin’ity lehiben’ny FMTKD ity avokoa vao afaka miroso amin’ny fampandehanan-draharaha ny rehetra. Noho io antony iray io, tsy afaka niatrika ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika izay natao tany Sénégal, ny 10 -11 febroary lasa teo, ny Malagasy mpikatroka taekwondo.
Ankoatra izay, notsiahivin’ireo lehiben’ny ligy fa maro ny fandaharam-potoana tsy tontosa, anisan’izany ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny FMTKD.
Fitia Randria