Fibatana fonjamby: tsy tao anaty filaharana Andriatsitohaina Tojo

Taorian-dRandafiarison Rosina, anjaran’Andriatsitohaina Tojo indray no niditra an-tsehatra, nandritra ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja fibatana fonjamby. Fifaninanana natao tany Thaïlande, nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo.

Raha ny vokatra voaray, tsy tao anaty filaharana na “non classé” i An­dria­tsitohaina Tojo. Mala­ga­sy mpibata fonjamby, sokajy latsaky ny 73 kg. Araka ny fanazavana azo, nisy olana ara-pahasalamana izy. Nisy voa ny tao amin’ny lamosiny, taorian’ny niatrehany ny fifaninanana “Grand Prix II” tany Doha. Tsiahivina fa mpibata fonjamby 41 no nifaninana niaraka tamin’i Tojo, tamin’ity fifaninanana tafiditra amin’ny fifanintsanan’ny “lalao Olym­pika 2024”, hatao any Paris, ity.

Raha hiverenana ny vokatra teo amin’ny sokajy latsaky ny 73 kg , ilay Indoneziana, i Juniansyah Rizki, no nahazo ny laharana voalohany, izay nahavita nibata 164 kg teo amin’ny “arraché”, 201kg teo amin’ny “épaulé jeté” ary 365 kg ny”total Olympique”. Teo amin’ny laharana faharoa kosa ilay teratany Sinoa, i Zhi Zhiyong, rehefa nibata 165 kg teo amin’ny “arraché”, 191 kg teo amin’ny “épaulé jeté” ary 356 kg teo amin’ny “total Olympique”. Namarana ny fiakarana “podium” kosa, i Abdullah Rahmat Erwin, teratany Indoneziana ihany koa, izay nahavita nibata 160 kg teo amin’ny “arraché”, 165 kg teo amin’ny “épaulé jeté” izay nanome 355kg teo amin’ny “total Olympique”.

Ho an’Andriatsitohaina To­jo, efa “non classé” koa izy, tamin’ny “Grand Prix II”, natrehany tany Qatar. Ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, natao ny septambra 2023 no nahazoany vokatra tsara indrindra aloha hatreto, raha ny fifaninanana hahazoana tapakila ho an’ny “lalao Olympika”. Raha hiverenana kosa ny vokatra ho an-dRandafiarison Rosina, laharana faha-16 no nisy azy tamin’ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity. Tsara raha ampitahaina tamin’ny “Grand prix II” natao tany Qatar, izay nahazoany ny laharana faha-17.

Mi.Raz

Partager sur: