Nanamarika ny faha-30 taonan’ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao aminy ny vahoaka Rwandais. Nanatrika izany ny filoha Rajoelina Andry mivady, omaly, tao Kigali. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany.
Nanombohana ny hetsika, omaly, tany an-toerana, ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy. Nitohy tamin’ny famelomana ny afo teo amin’ny “Kigali genocide memoral” avy eo. Naneho firaisam-po tanteraka amin’ireo vahoaka Rwandais ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry mivady. Nitohy teo amin’ny BK Arena Kigali, ny fotoam-pahatsiarovana. Nandaha-teny tamin’izany ny minisitry ny firaisankina Rwandais, narahin’ny filohan’ny Vaomieran’ ny Vondrona afrikanina (UA), Musafaki Mahamat. Nanohy ny fandraisam-pitenenana avy eo ny taranak’ireo tsy maty. Nofaranan’ny filoham-pirenen’i Rwanda, Paul Kagame, izany.
Taorian’izay, nisy ny fanasana manokana natao tao amin’ny Kigali Convention Center. Nihaonan’ny filoha Kagame manokana tamin’ireo filoha afrikanina iznay ka anisany ny filoha Rajoelina Andry.
Nakana lesona ny tantara
Tsiahivina fa andro manan-danja sy kihon-dalana teo amin’ny tantaran’i Rwanda ny 7 avrily 1994. Nanomboka teo, naharitra 100 andro ny adim-poko teo amin’ny Tutsi sy Huttu. Maherin’ny 800 000 no namoy ny ainy nandritra ny ady an-trano. Mipetraka ho tantara ny zava-niseho, 30 taona aty aoriana. Noraisin-dry zareo Rwandais ho lesona nentina hanarenana ny firenena sy hampandrosoana izany. “Tafarina i Rwanda na tafarina tanatin’ny ra nandriaka sy ny fahatsiarovana mangidy ho an’ny firenena aza teny am-piandohana”, hoy ny filoha Kagame tamin’ny lahateniny.
Anisan’ireo filoha niatrika izany ny avy any Afrika Atsimo, Bénin, Ouganda, Nigeria, Togo, Ethiopie… Teo koa ny filoha Amerikanina teo aloha, Bill Clinton, sy ny filoha frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy.
Synèse R.




