Hifampitady any Manjakandriana ny Irmar, Razafindrakoto Solofo, sy ny Firaisankina, Rakotoarisoa Alban na i Babà, amin’ny fifidianana depiote. Kandidà any Antalaha ary lisitra faharoa kosa ny mpanakanto Jerry Marcos, miaraka amin’i Nasira Julien. Atolotry ny mahaleo tena Fivoy ao Andramasina ny depiote Tim amperinasa, i Bina.
Nirotsaka ho kandidà mahaleo tena ny vadin’i Jao Jean, i Vaney’s, any amin’ny distrikan’Antsohihy. Tahaka izany koa ny depiote MMM, Volahaingo Marie Thérèse, natolotry ny Samby vognogno Sosoa, any amin’ny distrikan’i Bealanana. Mbola kandidàn’ny Tim etsy Ambohidratrimo, Rabenirina Mamy, arahin’ny lisitra faharoa, Razafimanantany.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana, afakomaly hariva, i Francois La Banane, ao Nosy Be. Niseho izany taorian’ny nametrahany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny tao amin’ny Ovec any an-toerana. Tsy voafaritra mazava ny tena anton’izany. Voalaza fa nampiakarina aty Antananarivo ary etsy amin’ny Pac 67 ha ny tenany amin’izao.
Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka Maorisianina ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, omaly. Feno 56 taona ny fahaleovantenan’ity firenena ity ka nanamafisan’ny minisitra ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Anisan’izany ny ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fiaraha-miasa ara-barotra, ny fiompiana ary ny fambolena.




