Nambaran’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, fa betsaka ny asa fampandrosoana azo atao any amin’ny distrikan’Analalava. “Manana Otrikarena maro isika ary azo trandrahina tsara izany ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny firenena”, hoy izy, afakomaly. Olana koa anefa ny lalana ka nampanantenainy fa hamboarina ny mihazon’Antsohihy sy Analalava. Hampiroboroboina ny sehatry ny fizahantany ary vonona ny tenany hanasoa ny distrika niaviany, araka ny nambarany hatrany. “Mila mifampitsinjo sy mifampihaino koa anefa isika rehetra”, hoy ihany izy, tamin’ny fanolorana fanampiana ho an’ireo sahirana, toy ny zokiolona tany an-toerana.
Tsiahivina fa anisan’ny kandidàn’ny Irmar amin’ny fifidianana depiote, hatao ny 29 mey izao, i Soafilira Princia ary hirotsaka ao amin’ny distrikan’Analalava. Efa tafapetraka ny herinandro teo, eo anivon’ny Ovec, ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny amin’izany.
Synèse R.




