Anisan’ireo eo hatrany ny mpanao gazety sy ny mpanakanto amin’ny fifidianana depiote. Maromaro izy ireo hatramin’ny fotoana farany, omaly, no nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina. Eo koa anefa ireo misehatra amin’ny asa hafa.
Anisan’ny mpanao gazety ho kandidàn’ny Irmar i Fetra Rakotondrasoa any Miarinarivo, raha any Ambatondrazaka i “Del kely”. Etsy Ambohidratrimo kosa i Faniry Razafimanantany, raha samy iray lisitra ao amin’ny boriborintany fahadimy, i Harifidy Ramanandraibe sy i Heninkaja Rakotomanantsoa. Hirotsaka etsy amin’ny boriborintany III i Gascar Fenosoa ary Randy Donny kandidà etsy amin’ny boriborintany I.
Ho an’ny mpanakanto kosa aloha hatreto raha tsy misy ny fiovana tamin’ny ora farany, kandidà any Antalaha, lisitra faharoa i Jerry Marcos. Ao Antsohihy i Vaney’s ary etsy amin’ny boriborintany fahefatra i Rossy. I Bodo nanao mahaleotena etsy amin’ ny boriborintany III. Kandidàn’ny Kolektifa any Ankazobe Razafitrimo Toavintsilavo Honty ao amin’ny tarika Ambondrona raha any Befandriana Avaratra kosa i Din Rotsaka.
Hamerina kilasy eny Tsimbazaza
Eo koa anefa ireo avara-pianarana nirotsaka na koa efa teo ihany. Anisan’izany i Keron Idealson avy amin’ny Firaisankina sy i Marco Tsaradia, mahaleotena any Ampanihy. Eo amin’ny fanatanjahantena, mbola kandidà any Antsirabe II amin’ny Irmar, Randriamanampisoa Alfred, filohan’ny federasionin’ny kitra. Maromaro koa ireo mikendry ny hamerina kilasy amin’ireo amperinasa. Na voailika ka nivadika mahaleotena. Miketrika ny hijanona eny Tsimbazaza.
Olom-baovao hanani-dapa
Olom-baovao sambany ho kandidà hanani-dapa ho etsy Tsimbazaza kosa, Andrianainarivelo Hajo, Kolektifa eny Avaradrano. Tahaka izany koa ireo minisitra amperinasa maromaro sy ny teo aloha nirotsaka hofidina.
Ankoatra izany, manantombo ny hamaroan’ny vehivavy ho an’ny kandidàn’ny Irmar. Na lohalisitra na laharana faharoa ny ankamaroan’ny toeran’izy ireo amin’izao fifidianana izao.
Synèse R.




