ENMG: miisa 81 ireo nivoaka ho mpitsara

Tontosa omaly, teny amin’ ny Centre de conférence internationale (CCI) Ivato, ny lanonana nanolorana mari-pahaizana ny mpianatra teo anivon’ ny Sekolim-pirenena manofana mpitsara sy mpiraki-draharaha na Ecole nationale de magistrature et de greffiers (ENMG). Mpiofana ho mpitsara miisa 81, avy amina sampam-pianarana telo, “Judi­ciaire” sy “Administrative” ary “Financière”, no notolorana ny mari-pahaizana. “Ilo”, io no anarana nofidin’ity andiany ity isalorana. “Tokony homena lanja ny fanofanana ireo tomponandraikitry ny fitsarana, sahala amin’izao, ho tombon­tsoan’ny fitsarana amin’ny ankapobeny”, hoy Ramaro­lahihaingonirainy Anthony, talen’ny ENMG.
“Zava-dehibe, ary manampy amin’ny fanatrarana ny vinan’ny fitondram-panjakana, amin’ny fametrahana fitsarana mangarahara sy tsy mitanila, izao fampitomboana isa ny tomponandraikitra sy mpisehatra eo anivon’ny fitsarana izao”, hoy Randriamanan­tenasoa Landy Mbolatiana, minisitry ny Fitsarana. Raha ny mahakasika ireto mpianatra nahazo mari-pahaizana ireto, nandritra ny roa taona, nanomboka ny 2022, izy ireo no niofana tao amin’ny sekoly. Miisa 41 avy amin’ny sampam-pianarana «Judiciaire», 20 avy amin’ny «Financière» ary 20 avy amin’ny sampana «Administrative». Amin’ity anio ity, eny amin’ny fitsarana an-tampony, ireto mpianatra vao nandray mari-pahaizany ireto no hanao ny fanekena sy tokim-panompoana amin’ny maha mpitsara azy.

Lin

Partager sur: