Kandidà telo no nametraka ny taratasy filatsahany ho fidina ao amin’ny distrikan’i Betroka, ny zoma lasa teo. Anisan’ izany ny solombavambahoaka amperinasa, Randrianasolo Nicolas. Ny avy amin’ny antokon’ny fitondrana, tarihin’ny kandidà Razafindrahera Henrilly Odestin, izay miaraka amin’ny ben’ny Tanàna amperinasa. Anisan’ny olom-baovao kosa, handrasan’ny mponina ny tsy miankina, Andrialemirovason Moëz Amiroudine na i Amir. Samy zanaky ny distrika izy ireo ary samy milaza ny hitondra fanavaozana sy fampandrosoana.
Miandrandra fanovana goavana anefa ny mponina any an-toerana. Mitady olom-baovao afaka ny hitondra rivo-baovao. Anisan’ny mahatonga ny fangatahana an’i Amir ho kandidà izany. Manana ny fahaiza-manaony rahateo izy amin’ny fitantanana, indrindra ny fifandraisana amin’ny sehatra maro. Efa nitazona andraikitra ambony teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany koa izy. Manamafy fa miara-miasa amin’ny fanjakana izy na dia kandidà tsy miankina aza, nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, tao Betroka, nandritra ny fametrahana ny antontan-taratasy teny amin’ny sampan’ny Ceni na ny Ovec any an-toerana.
r.r




