Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidina tetsy amin’ ny Ovec Ambohidratrimo,, omaly ny solombavambahoaka Rakotoarisoa Johnny. Milatsaka amin’ny anaran’ny Plateforme Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ny tenany.
5 taona no vita, nahafahana nijery sy niara-niasa tamin’ny ambaratongam-pitondrana indrindra nifaneraserana tamin’ny vahoaka. Nisaotra ny filoha Andry Rajoelina sy ny birao politika nasionaly izay nametraka fitokisana taminy indray ka nanolotra azy amin’ ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina, ny tenany.
“Mbola betsaka ny asa tsy vitako satria fokontany 147 amin’ny 326 manerana ny distrikan’Ambohidratrimo ihany no voatsidiko tao anatin’izay 5 taona izay. Mbola misy adidy sy andraikitra andrasan’ny vahoaka amiko”, hoy ny solombavambahoaka Johnny.
Hidina avy hatrany any Imerimandroso hamaha ny olana momba ny tany izay mampijaly ny olona any amin’io kaominina io ny solombavambahoaka rahampitso. Ny olan’ny tany ataon’ny mpanambola sy ny mahitahita ary ny vahiny dia tsy ekena. Toraka izany koa ny tsindrihazolena atao amin’ny vahoaka malagasy. “Mbola ilain’ny vahoaka aho ka manosika ahy ny mbola hilatsaka indray izany”, hoy hatrany ny tenany.
Kandidà ho solombavambahoaka 5 no nilatsaka ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Anisan’ izany ny Kolektifa, Firaisankina, Fivoy Fivoarana, ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina ary ny Arema.
Tatiana A




