Rabary Paul : “Efa manomboka zatra demokrasia isika”

Hanao ahoana izao fifidianana depiote izao? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina sady filohan’ny antoko Ny Fireneko eo anivon’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar), Rabary Paul. Dinidinika.

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fifidianana depiote amin’izao?
Rabary Paul (-): Fanavaozana ny fe-potoam-piasana izao. Efa vita ny an’ny filohan’ny Repoblika, anjaran’ny depiote izao. Mahatsara ny demokrasia ny fandraisana anjaran’ny mpanohitra. Nanao ny vovonana Irmar ny mpanohana ny fitondrana, nizara ho Firaisankina sy Kolektifa an’ny Malagasy ny mpanohitra. Ery ampita, misy mahaleo tena vitsivitsy maromaro. Amin’ny ankapobeny, matanjaka ny Irmar ary hita amin’ny toerana samihafa. Sahirana ihany ny olona miatrika azy: any Sambava, ohatra, tsy misy afa-tsy kandidà tokana. Ao Antananarivo III, Irmar miady amin’ny Firaisankina sy ny Kolektifa. Misy herijika matanjaka izany, ary mihoatra no ho ny fifidianana farany teo. Te hanamafy ny Irmar hoe misy lojika tokony handeha eto amin’ny firenena: homena ny maro anisa ny filohan’ny Repoblika amin’izao fifidianana izao.
* Tsy sakana ve ny rotsa-bola 20 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina?
– Tsy any ny olana fa ny hoe: maharitra ara-poto-kevitra ve ny depiote, tsy miovaova, tsy manara-drenirano? Tsy manaraka ny rivotra politika izany, fa mafy orina amin’ny foto-kevitra ijoroany alohan’ny fifidianana sy mandritra ny fe-potoam-piasany ary aorian’izay. Tsy ny fahamarinan-toerana politika no olana, fa ny fahamarinan-toeran’ny andrimpanjakana: afa-mifandimby eo amin’ny fitondrana, fa ny andrimpanjakana tsy mihetsika. Izay no tokony himatimatesan’ny mpiantsehatra politika rehetra. Adihevitra politika sy demokrasia ireny nitranga teny amin’ny Antenimierampirenena ireny: mafanafana. Izay no maha politika ny politika, fa tsy hoe manara-drenirano avokoa… Mivoaka ny fifandanjan-kery ary mihatra ny lalàna, dia izay. Tsy krizy ireny. Na tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teo aza: tsy krizy fa fifandanjan-kery politika. Efa manomboka zatra demokrasia isika, mahazaka adihevitra sy fifanoheran-kevitra. Tsy misy ny fanahiana krizy aorian’ny fifidianana, fa ny vahoaka no hitsara ny mpanohitra sy ny mpitondra, ny mpanakiana sy ny mpanohana. Mitady fitoniana sy fampandrosoana sa gidragidra lava sy fihemorana ny vahoaka?

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: