“Asa masina sy ady masina no atrehintsika. Ady hampitoetra firenena tan-dalàna, firenena mandry fahalemana, firenena mandala fihavanana sy fitoniana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha, Razanamahasoa Christine, taorian’ny nametrahany ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiny ho depiote indray amin’ny anarany mahaleo tena ao Ambatofinandrahana, ny 8 avrily lasa teo. Nangatahin’ny vahoakan’ Ambatofinandrahana hirotsaka izy: mirotsa-kofidina fa very zo, na nesorina tsy ho depiote aza alohan’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasana. Tsy very ny zo dia mirotsa-kofidina. Raha tena mandala ny demokrasia ny firenena, tokony halalaka ny firotsahan-kofidina ho depiote.
Tsy mitombina ny fitsaran’ny HCC nanala azy tsy ho depiote, raha ny nambarany tao amin’ny RFI tamin’ny 8 avrily. Samy tokony ho nojerena ny And. 72 sy 73 amin’ny Lalàmpanorenana. Tsy misy depiote azo enjehina noho ny fanehoan-kevitra ataony. Nilaza fa tsy nanana afa-tsy 48 ora niarovany tena izy tamin’izany.
R. Nd.




