Vahoaka miray: “Hevitra no mampandroso”

“Mbola mampirisika ihany aho fa izay olona tena manan-kevitra no aoka hofidina. Ny olona manan-kevitra no hampisondrotra sy hampivoatra an’i Madagasikara”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), i Gaby Vaki­nia­diana, ny amin’ny fahavitsian’ny kandidà ho depiote amin’izao. Nohasaro­tina ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina, natao nidangana be koa ny rotsa-bola : 20 tapitrisa Ar. Nefa tsotra ny zava-misy eto Madagasikara: ny manam-bola, tsy manan-kevitra; ny manan-kevitra, tsy ma­nam-bola. Entina amin’ny vola izany ny firenena? Raha vao tsy manam-bola, tsy misy mahita sy tsy misy mihaino. Nefa manampy ny rotsa-bola amin’ny firotsahan-kofidina ny vola enti-manana amin’ny fampielezan-kevitra. Ny ao anatin’ny fitondrana no tsy maintsy ma­nam-bola amin’izay. Tsy mahagaga raha vitsy ny olona vonona hirotsa-kofidina, fa matahotra ho very vola koa ny olona. Tsy maintsy hisy ny hanaparitaka volabe. Ao anatin’ny fahantrana isika, ka vidina amin’ny tsy inona ny vahoaka. Izay no olana.

R. Nd.

Partager sur: