Nampahatsiahy sy nampahafantatra ny andraikitra ary ny momba izany solombavambahoaka izany ny eo anivon’ny Ceni. Manamafy izany rahateo ny voalazan’ny lalàna.
Voasoratra amin’ny Lalàmpanorenana, araka ny andininy faha-68, fa anisan’ny andraikitr’ireo solombavambahoaka ny mandany ny lalàna. Manara-maso ny asan’ny governemanta mpanatanteraka ary koa manao tombana ny politikam-panjakana ankapobeny. Tafiditra ao anatin’izany ny fisoloan’izy ireo tena ny vahoaka sy ny fitondrany ny hetahetany eny amin’ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, ao amin’ny tranokalany. Manao tolokevitra sy miady hevitra ary mamadika sy mandany izany ho lalàna koa.
Notsiahivin’ny Ceni koa fa fidiana amin’ny alalan’ny latsabato mivantana ataon’ny daholobe ny solombavambahoaka ary hiasa mandritra ny dimy taona.
Anisan’ireo Andrimpanjakana mpanao lalàna, ivondronan’ireo solombambahoaka ny Antenimierampirenena. “Miantoka ny maha demokratika ny firenena amin’ny fizarana sy ny fifandanjam-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna”, hoy ihany ny fampahatsiahivana.
Tokony hahay hifidy solombavambahoaka mendrika
Manoloana izany indrindra no nanentanan’izy ireo ny rehetra mba hahay hifidy solombavambahoaka mendrika. Mahavita mitondra ny tenin’ny olompirenena. Mahatanteraka ny tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny tatitra ataony. Vonona hiady ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ary indrindra ho an’ny distrika nahavoafidy azy mba ho tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana izany.
Tsiahivina fa hanomboka ny 8 mey izao ny fampielezan-kevitra ary hifarana ny 28 mey. Hotontosaina ny alarobia 29 mey kosa ny fifidianana depiote.
Synèse R.




