Niforona ny taona 2019 ny tahiry Famatsiambola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa (FMFP). Natao hanohanana ny orinasa tena madinika, hanofanana ny mpiasa.
Mihoatra ny 77 000 ny mpiasa nahazo fiofanana, ka vehivavy ny 49%, tany amin’ny faritra 26, tao anatin’ny 5 taona. Maherin’ny 42 miliara Ar ny famatsiambola avy amin’ny FMFP, nahitana tetikasa miisa 2 000. Avy amin’ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny Vondrona Eoropeanina (UE) ny vola nentina nanatanterahana azy.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny FMFP, Ramaroson Jean Michel, omaly, fa natsangana ity tahirimbola ity mba hahafahana manatsara ny filan’ny orinasa sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Fitaratra aty Afrika ny FMFP, amin’ny maha mpikambana azy ao anatin’ny tambajotra Afrikana amin’ny fanofanana ny mpiasa (RAFPRO) nanomboka ny taona 2022.
Nanamafy ny tale jeneraly (DG) ny FMFP, Andrimbololona Raoelina Pierre, fa « mitazona ny maha mpiahy ny fitandroana ny mpiasa ity tahirimbola ity, ahafahan’ny mpiasa malagasy mifaninana amin’ny hafa, ao anatin’izao fivoaran’ ny tontolon’ny asa izao ».
Tetikasa goavana efatra
Ho an’ny ho avy, misy tetikasa efatra lehibe, nanomboka ny taona 2023, mitentina 450 tapitrisa hatramin’ny 600 tapitrisa Ar tsirairay avy. Avy amin’ny AFD ny 75% ny famatsiam-bola. Voakasik’izany ny seha-pihariana efatra, toy ny sehatra marolafy amin’ny angovo maitso sy ny asa tanana ho an’ny Federasion’ny asa sy ny taozavatra (FCMM), ka anisan’izany ny famokarana saribao maharitra, ohatra. Faharoa, ny toekarena manga any atsimon’ny Nosy, ho an’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria (CCI) Androy. Fahatelo, ny fitaterana sy ny asa tanana ary ny fizahantany ho an’ny CCI Toamasina. Fahefatra, ny fambolena biolojika sy ny fanodinan-tsakafo ho an’ny fikambanana Symabio. Anisan’ny ho tsinjovina koa ny mpiasa na ny orinasa tsy mbola ao anatin’ny ara-dalàna.
Njaka Andriantefiarinesy