Nilatsaka ny fampitandremana. Hentitra ny fepetra noraisin’ny Ceni amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao.
“Amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, tsy misy na inona na inona azonay atao amin’ny fanaraha-maso izay ataon’ny mpirotsa-kofidina. Tsy misy lalàna mamaritra ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny fanaovana fampielezan-kevitra amin’izao fifidianana depiote izao. Na izany aza, tena manara-maso ry zareo ao anatin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra: misy ve ny fandikan-dalàna ary inona avy no endrika isehon’izany? Manana andraikitra amin’ny fanaovana fitanana an-tsoratra vokatry ny fitarainan’ny olona amin’izany ny Ceni, ary mampiakatra izany any amin’ny rafi-pitsarana tandrify azy. Voararan’ny lalàna, ohatra, ny mamingavinga na manompa olona amin’ny fampielezan-kevitra. Mety misy koa ny fampiasana fitaovam-panjakana na olom-panjakana.
Hitory eny amin’ny fitsarana ny Ceni
Manao fitoriana any amin’ ny fitsarana ny Ceni rehefa misy ny fandikan-dalàna.
Amin’ny ankapobeny, misy ny fanenjehana atao amin’ny fandikan-dalàna amin’ny fifidianana. Saingy saika tsy misy tohiny mazava avokoa izany. Olana koa ny tsy fisian’ny manome porofo mazava amin’ny fotoana isian’ny fandikan-dalàna. Na tsy misy vavolombelona ny fitoriana, na manamaivana izay mahazo azy izay iharan’ny fandikan-dalàna indraindray. Entanina ny fiarahamonina sivily, ny olom-pirenena, ny antoko politika hanao fanadihadiana raha misy tokoa ny fandikan-dalàna, fa azo atao tsara ny mamoaka an’izany amin’izao andron’ny fahalalahana izao. “Tsy heloka ny mamoaka porofo amin’ny fandikan-dalàna”, hoy izy.
R. Nd.




