Nambaran’ireo kandidàn’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy eny Avaradrano fa tokony hijoro sy hiaro ny safidiny ny olom-pirenena. Nentaniny ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny zotram pifidianana ny rehetra. Teo koa ny fanentanana hifidy. “Anay sy antsika miaraka avy eo ny tohiny. Hifankahita eto isika raha misy mangala-bato na manodina ny safidim-bahoaka. Aoka tsy hifampatahotra eto isika fa samy anaty fahalalahana”, hoy ny kandidà Andrianainarivelo Hajo, teny Sabotsy Namehana sy Lazaina, ny herinandro teo.
Etsy andaniny, nohitrikitrihiny fa anisan’ny nampikorosy fahana ny firenena sy ny vahoaka ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fangaraharan’ny fitantanana sy ny fampiasana ny volam-panjakana. Eo koa ny tsy fanajana ny lalàna, araka ny nambarany hatrany. “Ilana depiote sahy mijoro izany ka hamerina ny tany tan-dalàna. Hanao lalàna iarovana ny vahoaka fa tsy hanenjehana azy ny depiote. Hampitsahatra koa ireo mpitantana tsy mahavoa sy tsy mahomby”, hoy izy. Notsiahiviny koa ny teny faneva fony C11 fa ilaina ny depiote, tsy voavidy vola. Nohitsiny fa hanova ny tantara manomboka izao ka niantsoany fanomezan-tanana avy amin’ny rehetra izany. Nentaniny koa ny olom-pirenena ho sahy hijoro manoloana izao fiatrehana ny fifidianana izao.
Tsiahivina fa nihaino ny hetaheta sy ny olan’ny vahoaka ireo kandidàn’ny Kolektifa tamin’izao fihaonana izao.
Synèse R.




