Fifidianana depiote : ho vita mialohan’ny propagandy ny biletà tokana

Amperinasa tanteraka. Efa any Afrika Atsimo, ny herinandro lasa teo, ireo kojakojam-pifidianana hatonta. Manao ny ezaka rehetra ny Ceni amin’ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana depiote.

Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Ceni fa efa atsy Afrika Atsimo ireo teknisianina sy ny ekipan’izy ireo. Manara-maso sy mijery akaiky ny fanontana ireo biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ireo antsoina hoe antontan-taratasy saro-pady amin’izany ireto iraka ireto. “Ezahina hovitaina mialoha ny 8 mey izao, fotoana ha­nombohan’ny fampielezan-ke­vitra izany”, hoy ihany ny loharanom-baovao iray. Hanom­boka amin’io daty io rahateo ny fampielezan-kevitra ary hifarana ny 28 mey. Hotanterahina ny alarobia 29 mey kosa ny fifidianana depiote.
Tsiahivina fa samy efa ao anatin’ilay antsoina hoe mialoha ny fampielezan-kevitra “Pré-campagne” ireo etamazaoro politika sy ireo vovonana na koa mahaleo tena nandrotsaka kandidà amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ny eny anivon’ny haino aman-jerin’ny fanjakana (TVM/RNM).

Samy manana ny paikadiny…
Hampahafantaran’ireo kandidà ny tenany sy ny mom­ba azy ary koa ny vinany izany. Eo koa anefa ireo midina eny ifotony, mihaino ny hetahetan’ny vahoaka sy manao asa sosialy samihafa. Anisan’izany ny fizarana kojakoja na fitaovana ho an’ny olona. Arahin’ny fanentanana ho amin’ny fanefana ny adidy amin’ny fandatsaham-bato sy ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana na koa fanamarinana izany. Na koa ny hiarovana ny safidy amin’ny fotoam-pifidianana.
Mamory vahoaka anaty trano kosa ny sasany raha eny amin’ny toerana malalaka kosa ny hafa. Araka izany, samy manana ny paikadiny ireo kandidà amin’izany hetsika ataon’izy ireo izany.

Synèse R.

Partager sur: