Manohy ny fomba ratsiny amin’ny fanerena ny mpiasam-panjakana ny mpitondra, araka ny nambaran’ny Solidarité syndicale, ny herinandro teo. “Tahaka ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ihany izany ka hatao ny fomba rehetra hampandaniana ny kandidàn’ny laoranjy. Raikitra ny ramatahora sy ny famindran-toerana”, hoy izy ireo.
“Mijanona ho fampanantenana poakaty fotsiny ihany ireo asa lehibe nampanantenain’ny mpitondra”, hoy ny Diovy i Madagasikara. Anisan’izany ny « Fly over” sy ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN13 ary ny lalambe migodana. Anton’izany ny tsy fahaiza-mitantana. Eo koa ny tsy fananan’ny mpitondra fanjakana politika mazava.
Hitafa amin’ny mpanao gazety ao aminy foibe “QG”, boriborintany fahefatra, ny kandidàn’ny Firaisankina, Randriamasinoro Tahiry Ny Riana, anio maraina. Hanotrona ity kandidà laharana voalohany ity amin’izany koa ny avy amin’ny vehivavy Tim, faritra Analamanga. Hifamotoana eny amin’ny Galana Soanierana izy ireo.
Manahy korontana manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny PDS Antananarivo ireo mpivarotra sy ny mponina manodidina an’Analakely. “Anton’ izany ny fepetra noraisin’ny CUA tsy am-piheverana ka hametraka tsena eny amin’ny arabe amin’ny lalana Andrianampoinimerina sy Rabefiraisana iny”, hoy ny solontenan’ny mpivarotra.




