Amin’izao fifidianana izao, olona toy inona no tokony ho depiote? Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: ” Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Olona toy inona no tokony ho depiote?
Ramamimampionona Gérard (-): Andrimpanjakana iankinan’ny firenena amin’ny fitantanana sy fampandrosoana ny Antenimierampirenena. Mba hahazoany mijoro tsara, mila olona mijoro ny mandrafitra azy: manana ny maha izy azy amin’ny fitondran-tena, fahalalana, fahendrena. Marina izany, mahalala ny toerana misy azy ary afa-mitondra an’izany harafitra ho lalàna na hahazoany miara-miasa amin’ny mpanatanteraka: manara-maso, mihaino. Fanaovana politika ny Antenimierampirenena. Ao ny tena misy ny adihevitra: mila olona mahay miady hevitra sy mihaino ny hafa, afa-mitondra sy mandray hevitra…
*Ahoana ny hoe solom-bavan’antoko amin’izany?
– Ekena ny fifamotorana amin’ny antoko, nefa tsy ho isan’olona fotsiny ny tena fa tokony ho afa-mamoaka hevitra. Mety misy ny zotram-politikan’ny antoko, fa ny avy any amin’ny vahoaka no tokony hialoha lalana: hifandrindra amin’izay ilain’ny vahoaka ny ny zotram-politikan’ny antoko, fa tsy izay tiany hatao no atao. Hitondra ny hevitry ny vahoaka ny hoe maro anisa, fa tsy hifamingana na hanao fitsipaham-pitokisana na fampiatoana na hanao jadona na hanilika ny hafa, sanatria. Tsy mpivadibadika koa fa manjary miteraka tsy famarinan-toerana. Olona mijoro izany, fa tsy hoe izay manam-bola, taitaitra, fanta-bahoaka, be vava…
* Inona no tokony hataon’ny vahoaka?
– Mahantra ny vahoaka, indraindray tsy mahay ny hoe mifidy: mifangaro ny hoe fifidianana sy ny fividianana. Mila mijoro izany, afa-mamakafaka fa tsy hivaro-tena. Olona efa hita fa tsy miraharaha ny tena, ohatra, dia mbola hironana noho ny kitolotolotra? Mila fiovam-penitra izany fa tsy manaraka ambokony. Ekena fa mahantra fa tsy tokony hahantra amin’ny saina: mbola afa-misafidy tsara. Tsy tokony hanaiky hampiadiana amin’ny politika koa, fa mila tandrovina hatrany ny soatoavina, ny soa iombonana, ny fihavanana, ny filaminana… Tsy tokony hampizara sy hampisaraka vahoaka ny mpanao politika, fa fifaninanana no atao fa tsy fifandrafiana.
Nangonin’i R. Nd.




