Hanetsika mpanara-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy, amin’izao hiatrehana ny fifidianana depiote izao. Ahitana sokajin’olona samihafa izany fandraisana andraikitra izany.
“Nisafidy ny hirotsaka ho Mpanara-maso fifidianana ireo tanora, vehivavy ary ny manana fahasembanana noho ny fahatsapan’izy ireo ny adidy masina amin’ny maha olompirenena mandray andraikitra sy amin’ny maha mpikambana feno azy ireo ao amin’ny firaisamonim-pirenena.” Io ny fanambaran’ny ivontoerana Safidy amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, taorian’ny fahavitan’ny fanofanana mpampiofana 20 tany Antsirabe, ny 23-26 avrily lasa teo. 2 300 ireo mpanara-maso manerana ny distrika 120. Hiparitaka hampiofana ireo mpanara-maso fifidianana namany eny anivon’ny kaominina (Tak) sy ny fokontany hanara-maso any amin’ny biraom-pifidianana, izy ireo.
Mpanara-maso tsy andairan’ny tsindry…
Manana fototra ijoroany ireo mpanara-maso fifidianana. Tsy voasanda vola na mora andairan’ny tsindry izy ireo, fa vonona hiaro hatramin’ny farany ny safidim-bahoaka. Eo koa ny fitondrana ny anjara biriky amin’ny fanamafisana ny demokrasia sy fanajana ny fanjakana tan-dalàna ary ny fampanajana ny zo fototra maha olona eto Madagasikara.
Ny tanjon’ny fanofanana ny ahazoan’izy ireo mahafantatra sy mifehy ny fomba fanangonam-baovao, ny fitaovana ara-teknika ampiasaina sy ny ny tatitra rehetra momba ny vokatry ny fanaraha-maso fifidianana. Anisan’ny zava-baovao nampitaina tamin’ny fiofanana ny fikirakirana ny teknolojiam-pifandraisana moderna, toy ny antso/SMS sy ny fampiasana “internet” ary ny tambajotra sosialy.
R. Nd.




