NY FIVAVAHANA: “Tsy tokony ho lasa fitaovana politika”

“Mila mitandrina isika amin’ ny resaka fivavahana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina sady mpanao politika, Rabary Paul, manoloana ny fisian’ny karazana antokom-pivavahana mijoro sy miasa etsy sy eroa amin’izao fotoana izao, izay misy lasa fitadiavam-bola na fangoronan-karena ny sasany. Lasa fanaovana afera ny fivavahana amin’izany, lasa fanodinkodinan-tsaina sy fandemen-tsaina. Fanodinkodinana politika, moraly ary toekarena izany amin’ny fanavaona fahafolon-karena sy ny namany maro samihafa.
“Mila mitandrina isika amin’izany”, hoy izy manoloana an’izay rehetra izay. Tokony ho vahaolana fa tsy olana ho an’ny olona na ny firenena ny fivavahana. Raha mahita vahaolana amin’ny fivavahana amin’izay mahazo azy ny olona, anjaran’izay. Tsy tokony ho lasa fitaovana politika ny fivavahana, na fitaovana hangoronan-karena, handrabirabiana, ho fanomezana fanantenana diso sy poakaty ny olona… Ny mbola voafitapitaky ny fivavahana dia ny firenena sahirana, mahantra, mandohalika, very fanahy mbola velona… Ny firenena mijoro sy afa-manana ny zavatra eritreretiny rahampitso sy rahafakampitso, afa-mivavaka fa tsy manao ny fivavahana ho fitaovana hangoronan-karena, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: