«JURISPRUDENCE» : atrikasa ho fampanaraham-penitra

Notanterahina tany Ampe­fy, ny 25 sy 26 avrily 2024 lasa teo, ny atrikasa ho an’ny fanaraham-penitry ny “Jurispru­den­ce” eto Ma­dagasikara. Ni­von­drona ta­min’ity atrikasa ity ny komitin’ny fandinihana sy ny fanamarinana ary ny fanaraha-maso ny fanajariana ny lalàna eo anivon’ny Fitsarana eto Madagasi­kara. Tanjona lehibe amin’ny atrikasa ny ha­nangona sy handamina ny fi­tsarana, handalina ary hanamarina ny fomba fiasa momba ny fanangonana natolotry ny Mo­­vement for Ethics and Deon­tology of Madagascar (MDEM), fikambanana miandraikitra ny fampandrosoana ny fanangonana ny raharaha sivily sy ara-ba­ro­tra. Lalàna notohanan’ny USAID, tamin’ny alalan’ny tetikasa Rindra, izany atrikasa izany.
Ny taona 2023 no niforona ity komity ity. Ahitana olona ambony eo amin’ny tontolon’ny lalàna malagasy, lehiben’ny fitsarana an-Tampony eto Mada­gasikara, ny lehiben’ny Fitsa­rana avo momba ny Lalàm­pa­norenana, ary ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitsarana. Fifa­nakalozan-kevitra, fandinihana tolo-kevitry ny komity, ny ME DEM ary ireo mpisehatra rehetra voakasika no nameno ny roa andron’ny atrikasa. Natao izany mba hiantohana ny fa­mokarana ny fanangonana ny lalàna momba ny “Jurispru­den­ce” sy ny fampirindrana ny asa isan-karazany. “Ny fanomezana angon-drakitra mom­ba ny lalàna momba ny raharaha dia hampihena ny fotoana fikarohana ho an’ireo mpi­tsara ary hanampy amin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy atolotra azy ireo amin’ny kalitao sy ny hafainganam-pandeha», raha ny fanazavan-dRakotondrajery Randria­na­risoa Salohy Noro­tiana, tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana, ny fianarana ary ny fanavaozana.

Lin

Partager sur: