Vita ny tohodranon’i Beraketa, manondraka ny lemak’i Behara, kaominina Behara, distrika Ambosary, faritra Anôsy. Tanteraka izany, noho ny tetikasa Purpa, vatsian’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana ny famokarana (IDA), ataon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae).
Araka izany, afaka manatanteraka voly avotra ny tantsaha. Natao ny 26 avrily teo ny fizarana kojakojam-pamokarana, hiatrehina ny taom-pambolena 2024. Miisa 250 ny tantsaha, mpamboly nisitraka masomboly vary an-drano milanja 2 250 kg, zezika NPK 3 750 kg ary zezika biolojika 18 750 kg. Notolorana karatra maha mpamokatra ihany koa izy ireo. Fepetra notakina amin’ azy ireo ny fandoavana ny 10%, vidin’ny kojakojam-pamokarana.
Masomboly tsaramaso
Novatsina masomboly fototra, tsaramaso maramara sy mena, milanja 10 taonina koa ny mpamokatra masomboly miisa 400, mpikambana ao anatin’ny Fiombonana Tongasaina. Avy amin’ny fandaharanasa Defis, famatsiana ara-bola Fida no nisitrahan’izy ireo izany.
Nanatrika ny fotoana ny filoha Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny tohodranon’i Beraketa any Behara, natrehin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa.
Njaka A.