Misy fifangaroana ny menaka ao amin’ny gropy G2 any Andekaleka, omaly. Voatery najanona ny milina, ka mety maharitra adiny 7 ora ny fanamboarana azy. Misy, araka izany, ny fanapahana mihodina ny famatsiana herinaratra ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina. Maharitra adiny 2 ora isaky ny toerana ny fanapahana.
Nihaona ny 24 avrily teo, ny mpandraharaha amin’ ny kakao sy ny ladoany. Anisan’ny nojeren’ny roa tonta ny fitsipika mifehy ny fiaviana manokana momba ny vokatra kakao. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny Vondrona eoropeana (UE) sy i Madagasikara ity fihaonana ity.
Miisa 7 000 ny hazo honko nambolen’ny fikambanan’ny mpanjono any amin’ny helodranon’Antsiranana, ny 27 avrily teo. Nanatontosa izany ny avy any amin’ny fokontany telo any Antsiranana (Mangarivotra, Lazaret ary La Dordon). Nandray anjara koa ny fitantanam-paritra DRPEB Antsiranana. Fanintelony izao ity fambolen-kazo ity.