Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ny fametrahana vovonana ifanakalozan’ny samy mpandraharaha. Anisan’izany ny vovonana Africa Trade Gateway (ATG) sy ny Mansa Digital Initiative, sahanin’ny African Export-Import Bank (Afreximbank). Tonga eto Madagasikara ireo delegasiona avy amin’ny Afreximbank hanentana ny sehatra tsy miankina, ny rafitra mpandraharaha ara-bola, ny orinasa salantsalany sy madinika (PME) ary ny orinasa lehibe, ny amin’ny hampiasana sy hidirana amin’ireo vovonana ireo, indrindra ny Mansa, ho fampandrosoana ny fandraharahana atao. « Zava-dehibe ny fahalalana momba ny tsena, ny tontolon’ny fampiasam-bola ary ny sehatry ny fiantohana azo trandrahina ao amin’ny asa fandraharahana », hoy ny tale jeneralin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle, omaly, nandritra ny fanolorana ny vovonana tetsy Antaninarenina. Araka izany, mivondrona ao anatin’ity vovonana Mansa ity avokoa ireo torohay rehetra tokony hananan’ny sehatra tsy miankina mahakasika ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola,… Noho izany, afaka misitraka tombontsoa amin’izay tandrify azy ny mpandraharaha iray.
Fampandrosoana
Firenena 51 amin’ny 55 eto Afrika no efa miara-miasa amin’ny Afrieximbank, raha ny fanazavan’i Maureen Mba, mpitarika ny Mansa sy ny Afreximbank. « Efa maherin’ny 18 000 ny orinasa sy fikambanana misoratra anatin’izy io ankehitriny », hoy hatrany izy. Nanentana ihany koa ity mpandraharaha ity ny hidiran’ny Malagasy mpisehatra anatin’ny vovonana toy itony. Vovonana niomerika anisan’ny matanjaka sy ampiasana aty Afrika, eo anivon’ny Afreximbank ny ATG sy ny Mansa. Hanamora ny fidirana eo amin’ny tsena afrikanina ny fampiasana azy, indrindra ho an’ny firenena anatin’ny Zlecaf. Eo ihany koa ny fahalalana ny lalàna mifehy ny varotra sy ny fifanakalozana eo amin’ny firenena.
Henintsoa H.