Miditra amin’ny sehatra matihanina ny Yfomac Initiative, izay efa 5 taona. Hany sekolin’ny baolina kitra tokana mitaiza tovovavy fotsiny eto Madagasikara. Hiara-kiasa amin’ny ilay vovonana Next Best Player any New –York izy ireo. Notanterahina ny alahady lasa teo, teny Andohatapenaka ny fifanarahan’ny roa tonta. Nanatanteraka izany i Yannick Davidson, filoha tale jeneralin’ny Next Best Player sy Ny Anjara Rafalimanana, mpamorina ny Yfomac Initiative.
Hisantarana ny tetikasa, mpilalao telo homena 50 dolara isam-bolana mandritra ny 5 taona, i Fanomezantsoa sy Hanitriniaina Sitraka Manantsoa ary Andriafanomezana Mitia. Raha misy ny fivoaran’ ny tsirairay, hiampy 2 hisitraka izany hatramin’ny faran’ny taona.
“Tsy hivarotra mpilalao fa handefa azy ireo ho lasa matihanina no tanjona, izay efa mizotra tsikelikely amin’izany”, hoy Rafalimanana Norbert. Nohamafisiny fa mifaninana amin’ireo lalao federaly ny Yfomac ary efa nandrombaka ny tompondakan’ny seksiona Atsimondrano 2023. Mikasa ny hiditra ao amin’ny Fihezama ny Yfomac, hahazoan’ izy ireo miatrika ireo lalao iraisam-pirenena misy. Tsiahivina fa nahazo fandresena 8 ny Yfomac tamin’ireo lalao iraisam-pirenena natrehiny, ny taona 2023. Ankehitriny, miisa 120 ireo mpilalao ao amin’ny Yfomac, misy ny sokajy U7 ka hatramin’ny U17, ary sahanin’ ny mpanazatra 13.
Tompondaka