Tetikasa Taratra: mahakasika ny harena an-kibon’ny tany

Nitohy any Ranobe, kaominina Ankilimalinike sy Tsia­fanoka, kaominina Tsianisiha, samy distrika Toliara II, ny fampahalalana ny mponina ny zony sy ny tombontsoa tokony ho azony mahakasika ny tetikasa Taratra. Voakasik’izany ny lafiny harena an-kibon’ny tany sy ny fananan-tany. Loa­bary an-dasy novolavolain’ny kaonferansin’ny eveka, iarahany amin’ny fitantanana ny harena an-kibon’ny tany, ary ny fikambanana Justice et Paix. Samy milaza ny heviny, mahakasika izany ny mponina any an-toerana. Nilaza niheviny i Retety Pascal, fa «na­mantarako ny zoko mahakasika ny fananan-tany ny fanentanana natao. Fantako izao fa tsy maintsy manaraka ny dingana ara-dalàna ny tany vita baorina, raha te hisitraka ny vola fanonerana ny tany. Mahasoa anay ny fisian’ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany aty aminay. Satria hanome asa na dia tsy ho an’ny rehetra aza».
Manentana ny rehetra i Tsiatosiky Zataony, hanaraka ny dingana hametrahana baorina ny taniny. Ho an’i Re­manta, «nahasoa anay ny nisian’ny tetikasa Taratra. Mila toeram-pitsaboana sy fiangonana vaovao izahay».
Toraka izany koa ny tany Tsiafanoka. Nilaza i Bruno Jean Martial, fa nanazava ny sainay ny tetikasa Taratra, indrindra amin’izao fanamparam-pahefana isan-karazany izao. Fantatray, ankehitriny, ny ataonay raha misy ny tsy manara-dalàna.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: