Mampanao fifaninanana famoronana tetikasa vaovao (Star-up) ny fikambanana japoney Mizunami Africa ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (TPE-PME) malagasy. Iarahana miombon’antoka amin’ny NextA, ao anatin’ny vondrona orinasa Axian izany, entina hampiroboroboana ny toekarena sy ny sosialy eto Madagasikara.
Hovatsian’ny Fondation Mizunami Africa vola mitetina 30 tapitrisa Ariary tsirairay avy ny orinasa Start-up telo voalohany. Hanohana manokana azy ireo koa ny NextA mandritra ny enim-bolana. Hampifandraisina amin’ny tambajotran’ny matihanina, hanamafisana sy hampahomby ny tetikasany avy.
Nisokatra omaly 2 mey hatramin’ny 31 mey 2024, ny fandrotsahana ny fandraisana anjara. Tetikasa mirakitra ny fikarohana tolotra vaovao sady miavaka, manome lanja ny famoronan’asa sady mitondra fampandrosoana maharitra.
Hatao ny 1 jona ny sivana voalohany, ary ho fantatra amin’ny 27 jona ireo hanao ny famaranana. Hatao ny 1 aogositra ny fisafidianana ireo telo voalohany.
Njaka A.