Toy ny fanaony isan-taona, daty raikitra ho fambolen-kazo ho an’ny Société du port à gestion autonome de Toamasina (SPAT), ny voalohan’ny volana mey, ho fandraisana anjara amin’ny fiarovana sy fikolokoloana ny tontolo iainana. Namboly zana-kazo 2 500 isa tao amin’ny ala arovana (parc) Ivoloina ny mpiasa eo anivon’ny seranan-tsambon’ i Toamasina. Ahitana karazan-jana-kazo 14, hazo ala avokoa, ireo novolena. Nampakarina ihany koa ny zana-kazo nambolena tamin’ity taona ity raha 1 500 isa izany tamin’ny taon-dasa, ho fampiroboroboana ny fandrakofan’ala ny firenena sy ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. « Hatramin’izay, mahatratra hatrany amin’ny 95% ny taham-pahaveloman’ny zana-kazo novolena ao Ivoloina sy Brickaville » hoy ny fanazavana voaray. Antoka ho an’ny famokarana sy ho fampandrosoana ny fiainana andavanandro ary ho fiarovana ny rohivoahary ny zavamaniry. Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny tontolo iainana, noho izy miantoka akora fototra amin’ny famokarana sy fanodinam-bokatra samihafa.
Sajo