Nanomboka omaly ka hatramin’ny 9 mey izao ny hetsika “Arabian Travel Market (ATM)”, izay atao any Dubai World Trade Centre. Anisan’ ny mandray anjara amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’ny 0fisim-paritry ny fizahantany ao Nosy Be (ORTNB). Hampahafantatra ny hakanton’ny Nosy malagasy sy ny mampiavaka ny firenena izy ireo. Marihina fa tafiditra ao anatin’ireo firenana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara, araka ny navoakan’ireo gazety boky any ivelany. Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fanokafana ny lanitr’i Madagasikara ho an’ireo sidina iraisam-pirenena. Tsiahivina, nahatratra hatrany amin’ny 65% ny taham-piakaran’ny fahatongavan’ny mpizahatany ny taona 2023. Na izany aza, mitaky ezaka goavana ny fanatsarana ity sehatra ity, toy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa samihafa, ny lalana, ny fijerena sehatry ny fandriampahalemana indrindra any amin’ireo toerana fandehanan’ireo mpizahatany.
Henintsoa H.