Nomena lanja manokana ny tanora eny amin’ny tontolo ambanivohitra, tamin’ny alalan’ny fampiofanana azy ireo
amin’ny sehatry ny fanodinana vokatra ara-tsakafo, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Pro Agro Youth”. Miisa 200 mianadahy ny tanora avy eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra nisitraka ny fiofanana. Nisy, araka izany, ny vokatra mivaingana nataon’ireo tanora. Anisan’izany ny tovovavy iray mpandraharaha avy eto Analamanga izay mampihatra avy hatrany ny fiofanana azony eo amin’ny lafiny fitantanan-draharaha amin’ny orinasany. «Anisan’ny ezaka ataon’ny minisitera ny hanomezana tosika ny tanora eny ambanivohitra amin’ny fanatsarana ny fahaiza-manaony eo amin’ny asa fandraharahana ara-pamokarana», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Raharinomena Fanja, ny alakamisy teo, teny Anosy, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ireo tanora 200 mianadahy.
Henintsoa H.