Tao anatin’ny telo volana : nihena 30,7% ny vokatra naondran’i Madagasikara

Nihena hatrany amin’ny 30,7% ny vokatra fanondran’i Madagasikara tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2024 raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ka mampitotongana ny toekarentsika, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) momba ny fanadihadiana ny toekarena, ny talata teo. Voatonona ao anatin’izany ny lavanila, jirofo, kobalta sy ny maro hafa. Nihena 63,5% ny fanondranana lavanila na­taontsika nandritra ny telo volana voalohan’ny taona no­ho ny fidinan’ny vidiny 81,3% na niakatra ho 95% aza ny kalitaom-bokatra. Nilatsaka hatrany amin’ny 64% ihany koa ny fanondranana Nikela nataon’i Madagasikara nandritra io vanim-potoana io, izany hoe, nihena 38,4% ny habetsaky ny entana naondrana ary nihena 41,6% ihany ny vidin’
izany. Toy izay ihany koa ho an’ny vokatra Kobalta, nihena 24% ny vokatra naondrana na dia nitombo 7,9% aza ny habetsaky ny vokatra noho ny fihenan’ny vidiny hatrany amin’ ny 29,5%. Nihena 11,2% iha­ny koa ny vokatra naondran’ireo orinasa afaka haba noho ny fidinana ho 9,5% ny vokatra naondrana sy ny vidiny manodidina ny 1,8%.

Sarotra
«Nahitana fihenana 15,5% ihany koa ny fanafaran’entana nataon’i Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona», hoy hatrany ny BFM. Voasokajy ao avokoa ireo vokatra isan-kazarany, ankoatra ny sehatry ny angovo izay nahitam-piakarana 42,5%. Niantraika eo amin’ny filana andavanandron’ny mponina izany. Nanamafy ny BFM fa nihena 38,5% ny fanafarana natao amin’ny sakafo raha nihena 30,9% izany ho an’ny akora fototra. Fantatra fa nilatsaka 18,8% ny fanafarana ho an’ireo kojakoja samihafa ra­ha manodidina ny 16,2% ho an’ireo vokatra fampiasa amin’ ny sakafo. Nihena 3,3% ihany koa ny fanafarana entana avy amin’ireo orinasa afaka haba.

Henintsoa H.

Partager sur: