Fivadiham-pitokisana : mpiambina nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy

Mailo! Mirongatra tanteraka amin’izao fotoana izao ny hala-tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any amin’ny faritra. Lehilahy mpiambina iray miasa eny Manazary Ilafy no nahavita nivarotra ny tanin’ny mpampiasa azy tamina an­dian’olona maro. «Monina sy miasa ao amin’io tananay io aman-taonany maro ity lehilahy ity ka izao nivadi-pitokisana izao», hoy ireo mpampiasa azy. Notohizany fa efa nandraisany vola an-tapitrisa ny tany ary nitsoaka izy vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana ny sabotsy teo. Ankoatra izay, lazain’ity mpiambina ity fa lasa any ivelany ireo tompon-tany, antony nivarotany ny tany, raha ny fanadihadiana hatrany. Fantatra tamin’izany fa nampanofain’ilay mpiambina ny tranon’ireo mpampiasa azy eny Manazary, ankoatra ny vola azony amin’ireo kariera eny an-toerana. Noho izany, nitondra ny raharaha eny anivon’ny mpitandro filaminana Ankadikely ireo lasibatra. Atao famotorana mahakasika ny tranga ihany koa ny ramatoa vadin’ilay mpiambina raha karohina fatratra ny tenany amin’izao fotoana izao.
Manoloana izany, velon-taraina amin’ny trangan-javatra nahazo azy ireo tompon-tany ka mampitandrina mafy ny mpiara-monina mba ho mailo amin’ny resaka hala-tany.
Tsiahivina fa vao andro vitsy lasa izay no namaritra ny olan’ny fananan-tany ny sehatra iombonan’ny fananan-tany (SIF). Nohamafisiny nandritra izany fa mirongatra ny olan’ny fananan-tany eto Madagasika­ra nandritra ny 20 taona.

Henintsoa H.

Partager sur: