Raharaha Thaïlande: olona 18 voasaringotra

Mitotaly 18 ny olona voasaringotra tamin’ny fanondranana varika 48 sy sokatra 1 076, tany Thaïlande. Niakatra teny amin’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), omaly, ireo tratra teto Madagasikara.

Hatramin’ny ora farany nanoratanay dia mbola ilay teratany sinoa iray, voasambotra teto Mada­gasikara mahakasika ny fa­non­dranana antsokosoko ireo varika 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande no vita famotorana eny 67 ha. Nitohy mandra-maraina ny fakana ambavany ireo olona valo natolotry ny fadintseranana ny fampanoavana ao amin’ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly. Mbola misy olona fahasivy, voasambotra , omaly maraina. Miandry ny fahavitan’ny fanadihadiana savaranonando ny momba azy. « Miisa 18 ireo olona voasaringotra amin’ny rahararahana  trafika iraisam-pirenena», hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fadintseranana, Lainkana Zafivanona Ernest. Migadra any Thaïlande ny enina, 12 eto Madagasikara ka mbola karohina ny telo amin’izy ireo.

Tambajotra matanjaka
Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga tao Mahajanga, nihazo ny helodranon’i Salary ny sambo nanaovana ny trafika. Tany amin’ny distrika Morombe no nangalana ireo biby. Efa niatrana an-dranomasina ny sambo nitondrana izany tany ivelany, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Tombanana hatrany amin’ny 3 tapitrisa dolara na 14 miliara Ar eo ireo zavamananaina naondrana antsokosoko raha toa ka namidy mora tamin’ireo mpanao ratsy kosa izany. Ankilany, matanjaka ny tambajotra nanao ity trafika ity noho izy nifandray tamina firenena hafa. Nanamafy ny tale jeneralin’ny fadintseranana fa tsy nandalo seranan-tsambo sy fadintseranana ireo biby naondrana. Teratany birmaniana iray no niray tendro tamina teratany thaïlandais roa hafa teto Madagasikara ary niray tsikombakomba tamin’ireo Malagasy fito sy karana iray. « Azo antoka fa hiditra am-ponja avokoa ireo voampanga amin’ny raharaha », hoy Rasoahanta Elysée, mpitsara, mpampanoa lalàna eo anivon’ny Pac.

Henintsoa Hani

Partager sur: