Firenena anisan’ny mahasarika mpizahatany i Madagasikara noho ny hakantony sy ny fananany ireo karazan-javamananaina isan-karazany. Napetraka ny tondrozotra ho an’ny fampandrosoana io sehatra io, nandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena tamin’ireo mpamatsy vola, ny zoma teo, tetsy Ambodivona. Tanjon’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny hampiroborobo ny sehatra eto Madagasikara, hametraka ny firenena malagasy ho anisan’ireo toerana mahasarika mpizahatany sy ho fampandrosoana ny asa tanana. Iray amin’ireo tetikasa goavana ireo ny fampitomboana hatrany amin’ny 600 ny efitrano fandraisam-bahiny manerana ny Nosy. Mila hatsaraina ihany koa ny kalitaon’ny tolotra omen’ireo mpisehatra ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany sy ho fampidirana eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ireo mbola tsy ao anatin’izany. Voasoritra manokana ao anatin’ny tondrozotra ny tetikasa « Ndao hizaha an’i Madagasikara ». Mandrafitra ny tondrozotra ihany koa ny fametrahana ny « jardin botanique » izay handraisan’ny tsirairay anjara amin’ny alalan’ny fikarohana momba ny zavaboahary sy ireo karazan-javamananaina samihafa, indrindra ny famoronan’asa ho an’ny tanora. Ankoatra ny maha toerana fizahantany azy dia ho ivontoeram-pikarohana ihany koa ny « jardin botanique ». Hapetraka amina velarana 5 ha izany ka ahitana karazan-javamaniry 360 isa ary hitondra anjara biriky amin’ny fiarovana ny zavamananaina eto Madagasikara. Fampiasam-bola maitso ny tetikasa ary tombanana hanodidina ny 850 tapitrisa Ar ny fanatanterahana azy.
Henintsoa H.