Vola 50 Ariary volamena : Jifaina amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny famarotana ilay vola 50Ar vita amin’ny volamena manamarika ny faha-50 taon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Afaka manjifa izany, amin’ny vidiny 12 tapitrisa Ar, ny rehetra amin’ny alalan’ny fisoratana anarana eny anivon’ny BFM. « Hanamarika ny tantaram-pirenena ny fametrahana ny vola volamena izay hanamarin-toerana sy hanome lanja ny vola malagasy, indrindra hampatanjaka ny rafitra ara-bolan’ny firenena izany », hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny lahateniny teny Antaninarenina. Milanja 31,104 grama ny « 1 oz » amin’ity vola volamena 50 Ar izay nodiovina sy natonta tany Turquie ity. Ankoatra izay, vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hananan’i Madagasikara tahirim-bolamena 4 taonina isan-taona, izany hoe, hahatratra hatrany amin’ny 40 taonina ny tahiry hananantsika ao anatin’ny 10 taona. Hapetraka amin’ity taona ity ihany koa ny ozininina mpanodina volamena (raffinerie aurifère). Tanjona ny hampiakatra ny harinkarena malagasy sy hahafahan’ny rehetra hanondrana volamena any ivelany. Marihina, mbola mitohy ny varavarana misokatra ataon’ny BFM etsy Analakely, hamarihina ny faha-50 taonany, amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny besinimaro ny tontolon’ny vola malagasy. Hisy ihany koa famelabelaran-kevitra samihafa hanamarihina ny hetsika.

Henintsoa H.

Partager sur: