Fandraharahana : hampivondrona mpandraharaha maro ny CEO Business Forum

Hampirisihina ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana ireo harena samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny fampandrosoana ny toekarena.

Manana harena maro samihafa azo trandrahina tsara ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny toekarena. Ho an’i Madagasikara, manana paikady manokana amin’ny fampiroboroana ny toekarena manga isika. «Laharam-pahamehana ny fametrahana ny indostria fanodinana ny harena anaty rano», hoy ny Tale jeneralin’ny minisiteran’ny
Jono sy ny toekarena manga, Rasolosoa Rado, omaly. Hotanteraina ny 14 sy 15 novambra, eny amin’ny CCI Ivato, ny CEO Business Forum Indian Ocean. Hetsika hiarahana amin’ireo firenena maherin’ny 25 aty amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ ny fampiroboroboana ny se­hatry ny toekarena. Hivon­drona eto an-toerana, mandritra ny roa andro, ireo mpandraharaha, Malagasy sy vahiny, hijery ireo sehatra ara-toekarena samihafa azo trandrahina. « Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy mpandraharaha sy ny avy any ivelany, eo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra. Tafi­ditra ao anatin’izany ny hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto amintsika », hoy ny Tale jeneralin’ny Gate Company, Andrianasolo Rojo Claudino, omaly teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika.
Fiaraha-miasa
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatra tsy miankina, anjaran’ny minisitera kosa ny mitady ny politika fanatanterahana izany, araka ny fanazavana voaray. « Hisy ny lohahevitra hovelabelarina hiaraha amin’ireo minisitera samihafa mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ireo laharam-pahamehana sy mila resahina eto amin’ny ranomasimbe Indianina », hoy hatrany ny talen’ny CEO. Ilaina, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika mba hahafan’ireo mpandraharaha mivelatra sy mamantatra ireo rafitra azo trandrahina eto Madagasikara.

Henintsoa Hani

Partager sur: