VAOVAO TAMBATRA

Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona miisa telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko varika miisa 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande. Harahin’ny fitsarana maso kosa ny efatra hafa raha toa ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo valo niakatra teny amin’ny Pôle anti-corruption (Pac).
Mikorontana tanteraka ny fampiasana ny internet amina firenena maro aty Afrika Atsinanana noho ny fahatapahan’ny tariby an-dranomasina mitondra izany. Firenena anisan’ireo lasibatra amin’izany i Mada­gasikara. Tsy tomombana ny internet eto an-toerana tao anatin’ny andro maro, izay miteraka fimenomenonana amin’ireo mpanjifa maro.
Tafakatra hatrany amin’ny 78 000 ireo mpandeha fiaramanidina nandritra ny volana marsa teo. Nahitam-piakarana 23% izany raha oharina tamin’ny volana febroary. Nitombo 12% io antotan’isa io raha oharina ny volana marsa 2023. Marihina fa nihena 11% ny isan’ireo mpandeha fiaramadina ny taona 2019.
Vita ny iray ampahefatry ny fanamboarana ny « voie rapide » ao Toamasina. Lalana mikodana mirefy 9km sy 700 m, miainga eo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Miompana amin’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa toy ny tetezana sy ny fantson-drano ny asa atao amin’izao.

Partager sur: