Nanao hetsika goavana tany Toamasina ny ekipan’ny RSE ao amin’ny orinasa Star, ao anatin’ny tetikasa Kopakelatra, entina hitsinjovana ny tontolo iainana. Taorian’ny fitetezana ny tanàna, nanentanana ny mponina, maherin’ny 7 700 ny tavoahangy plastika avy nampiasaina voaangona. Tohin’ny nametrahana toeram-panangonana manokana efatra (Club Nautique, Total Villa Plexis, Galana Bazary Be, Score Augagneur) ity natao ity. Nahatratra 60 taonina ny tavoahanagy voaangona nanomboka ny fiandohan’ny taona 2024. Ankoatra ireo, nitsidika ny sekoly EPP Dépôt Analakininina ny ekipan’ny RSE Star. Nizarana fitaovam-pianarana sy koba ny mpianatra miisa 805, ka natao laharam-pahamehana ireo mpianatra miisa 93 ao amin’ny kilasy CM2, hanala fanadinana CEPE amin’ity taona ity.
Njaka A.