Hisitraka famatsiam-bola hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara isan’olona ireo mpandraharaha valo mendrika indrindra. Amin’ny alalan’ny tetikasany izay mipaka mivantana amin’ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny tontolo iainana no nitsarana azy ireo.
Miara-dalana ny sehatry ny fandraharahana sy ny tontolo iainana ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Miantoka ny akora fototra ampisan’ireo mpandraharaha ny rohivoary, noho izany, manana andraikitra feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny mpandraharaha, raha toa ka tokony hipaka mivantana sy hitondra fanovana amin’ny toekarena sy ny sosialin’ny mponina ny tetikasa ataony. Tafiditra ao anatin’izay indrindra ny hetsika « 3ème cohorte du Start-Up Program Mitsiry » izay misehatra amina faritra maro eto an-toerana entina hanampina sy hanohanana ireo mpandraharaha. Araka izany, miisa valo ireo tetikasa nisongadina tamin’ireo 110 manerana ny Nosy, taorian’ny fiantsoana nataon’ny fandaharanasa Mitsiry ny volana febroary teo. « Hisitraka fiofanana telo samihafa izy valo hamantarana bebe kokoa momba ny fandraharahana hataony», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa “Miarakap”, Rakotondrajao Sitraka, omaly, tetsy amin’ny Skate Park Antanimena. Hisitraka famatsiam-bola hatramin’ny 5 tapitrisa dolara tsirairay koa izy rehetra entiny hanatanterahana ny tetikasany.
Fiofanana
Ankoatra izay, mpandraharaha 30 hafa ihany koa hisitraka fiofana mandritra ny 24 volana avy amin’ny « Critical Ecosystem Partnership Fund » (CEPF) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy hanamafisana ny fahaiza- manaony hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Fampiofanana izay mikendry ny hananan’ny mpandraharaha iray tetikasa mivaingana sy mipaka mivantana amin’ny sehatry ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ary ny rohivoary. Araka izany, hiara-kisalahy hanatanteraka izany ny tetikasa “Miarakap”, ny Indri ary ny Kinomé.
Henintsoa Hani