Royal Enfield : nivoaka ny modely « Shotgun 650 »

Kodiaran-droa! Tonga eto Madagasikara ny modely vaovao amin’ireo moto « Shotgun 650 » ny Royal Enfield, CT Motors. Mafy sy matanjaka ny moterany satria mahatratra hatrany amin’ny 650m3 izay mitovy amin’ireo moto hafa. Miavaka tanteraka anefa ny « Shotgun 650 » noho izy « custom » sy « roadster » mitambatra. Noho izany, sahaza ny lalana rehetra ity kodiaran-droa vaovao ity. “Natao ho an’ny rehetra ary azo aloa tsikelikely araka ny fahefa-mividin’ny mpanjifa », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra ara-barotry ny pôle Moto ao amin’ny CT Motors etsy Andraharo, Razanadrakoto Herinirina. Araka izany, miara-miasa amin’ireo banky misy eto an-toerana ny orinasa amin’ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Afaka tonga mijery ity vokatra vaovao ity eny amin’ny Showroom, CT Motors Andraharo, sy any Toamasina ary Nosy Be ireo te hanjifa izany. Manasa ny rehetra liana amin’ny tontolon’ny kodiaran-droa ihany koa ny orinasa hijery sy hanjifa izay mety aminy eny an-toerana.

Henintsoa H.

Partager sur: