Toliara: nizarana jiro mandeha amin’ny masoandro

Tsy diso anjara amin’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro i Toliara. Maherin’ ny 4 000 ny tokantrano ni­si­­­traka izany tany an-toerana, natolotry ny filoha Rajoelina Andry, ny herinandro lasa teo. Nambarany fa andiany voalohany ity natao ity, fa mbola hisy ny manaraka. Tanjona ny hisitrahan’ny isan-tokantrano rehetra any Toliara jiro, araka ny tanjon’ny tetikasa « Ha­zavana ho an’ny rehetra ».

Nanotrona ny filoham-pirenena nanolotra ireo jiro ireo tao amin’ny Gymnase Toliara, ny mpiara-miasa aminy avy aty Antananarivo sy ny olona manankaja maro ao an-toerana.

Tsiahivina fa tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry ny “Hazavana ho an’ny rehetra”. Misy koa ny tetikasa “Jiro mora” ho an’ireo fianakaviana tena sahirana, mba hisitrahan’izy ireo herinaratra any an-tokantrano.

CMS

Partager sur: