Filoha Rajoelina Andry: “Hipaka any an-tokantrano ny fampandrosoana…”

Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Ikongo sy i Betroka, nitohy tany Manakara indray ny fitokanana fotodrafitrasa sy fanampiana ny vahoaka nataon’ny filoha Rajoelina Andry. Nambarany tamin’izany ny fanamby apetraky ny fitondram-panjakana.

“Hitondra fampandrosoana eny ifotony isika ary tena mipaka hatrany amin’ireo kaominina sy ny tokantrano tsirairay izany”, hoy izy tao Manakara. Nisy ny fizarana “Kit solaire-Hazavana ho anao” ho an’ny tokantrano miisa 1 925 tany an-toerana. Teo koa ny fanohanana amin’ny alalan’ny tetikasa Pic, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Nisitraka izany ireo kaominina miisa 12 ao amin’ny distrikan’i Manakara ka nahazo tetibola 29 ka hatramin’ny 422 tapitrisa Ar. Natao hanamboarana fotodrafitrasa samihafa toy ny lalankely sy tetezana.
tokantrano miisa 1 478 tao Betroka. “Tsy hiaina anatin’ny haizina intsony isika aty ary indrindra tsy handany vola amin’ny fividianana labozia sy solika ny vahoaka”, hoy hatrany ny filoha Rajoelina Andry. Notolorana zezika sy masomboly ihany koa ireo tantsaha hanatsaran’izy ireo ny asa fambolena sy hampitomboina ny vokatra.

Fananganana fotodrafitrasa
Natolotra tany Iakora koa ny biraon’ny fitaleavam-paritra ho an’ny minisiteran’ny Mponina. “Miroso hatrany isika amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny notsidihin’ny filoha tamin’izao fidinana ifotony izao ny tany Vakinankaratra, Amoron’i Mania, hatrany Matsiatra Ambony, toy ny tany amin’ny distrikan’i Ivohibato sy ny any Ivohobe. Nitokanana fotodrafitrasa sy nanomezana fanohanana ara-tsosialy ny vahoaka avokoa izany ary nanampiana ireo tantsaha amin’ny seha-pamokarana ataony avy.

Synèse R.

Partager sur: