BFM : Vakoka mitahiry ny vola malagasy

Nifarana ny zoma teo ny fampirantiana maimaimpoana nataon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho fampahafantarana ny tantaran’ny vola malagasy. Hetsika izay tafiditra amin’ny famaranana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ ny BFM tetsy Analakely.
Ny taona 1896 ka hatramin’ny 1925, ny vola Eoropeanina sy Amerikanina no nampiasaina teto Madagasikara. Nofaritana tamin’ny taona 1926 kosa ny fampiasana ny “franc” araka ny lalàna velona. Araka izany, namoaka ny vola 5 franc, 10 franc, 20 franc, 50 franc ary 1 000 franc ary 5 000franc miaraka amin’ny soratra banky Madagasikara ny banky foibe tamin’izany fotoana. Nivadika ho bankin’i Madagasikara sy Kaomoro ihany koa ny banky ny taona 1950. 13 taona taorian’io, izany hoe, ny taona 1963 nijanona tao amin’ny “zone franc” i Madagasikara ary nampiasa ny franc malagasy.
Ny taona 1973, niala tao amin’ny zone “franc” ny firenena ary nivadika ho “franc” malagasy ny vola nampiasaina. Navoaka tamin’ireo vola nampiasaina tamin’izany fotoana izany koa ny sarin’ny mponina malagasy sy ny maha izy azy miaraka amin’ny zava-nisy teto Madagasikara.
Andraikitra
Manodidina ny 10 miliara Ar ka hatramin’ny 80 miliara Ar ny lanin’ny BFM amin’ny fanontana ny volantsika any ivelany. Noho izany, tokony hajaina ny vola amin’ny maha fananana iombononana azy. Araka izany, ny BFM ihany no manana fahefana feno hamotika ny vola, voasazy kosa ny olon-tsotra minia manao izany. Tsiahivina fa nanomboka ny 6 mey teo ny hetsika fampirantiana nataon’ny BFM, nifandibiasana famelabelaran-kevitra samihafa ihany koa izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: