Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana: nahazo karatany ny any Alaotra Mangoro

Nitohy ny faran’ny herinandro teo ny hetsika fizarana karatany faobe sy titra ho an’ny any Alaotra Mangoro, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra Andriantsitohaina Naina.
Anisan’ny nisitraka izao hetsika izao ny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Teo ny fizarana karatany miisa 1 164 ho an’ ny tao amin’ny kaominina Andilanatoby, Am­bandrika ary Ilafy. Ma­nampy izany ny fizarana titra tao amin’ny kaominina Am­batondrazaka. Nitohy tany amin’ny distrikan’i Moramanga ny fizarana, izay miisa 176 ka anisan’ny nisitraka izany ny tao amin’ny kaominina An­daingo sy i Beforona. Miisa 106 kosa ireo titra nozaraina tao amin’ny fokontany Mora­rano Gare sy Ambohibo­bakely, any amin’ny kaominina Morarano.
Nisy hatrany ny fihaonan’ ny minisitra tamin’ireo ben’ny Tanàna sy tomponandraikitra amin’ireny toerana ireny nifampidinihina sy nifanakalozana momba ny asa fampandrosoana eny ifotony. Eo koa ny famahana olana ny eny anivon’ny kaominina.
Nifanotrona tamin’ny minisitra hatrany, tamin’izao fidinana ifotony izao, ireo ben’ny Tanàna tany an-toerana sy ny Préfet ary koa ny governoran’ny faritra Alaotra-Mangoro. Teo koa ny minisitry ny Folo­alindahy sy ny minisitra delege misahana ny Zandarima­riam-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: