VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 27 000 ha ny velaran-tany efa voaaro amin’ny andiam-balala, tamin’ny alalan’ny hetsika an-tanety. Voakasik’izany ny any amin’ny distrikan’i Manja, Mahabo, Sakaraha, Ankazoabo, Beroroha, Ikalamavony ary Ambatofinandrahana. Mitotaly 270 000 ha ny velaran-tany mila arovana ka hampiarahana amin’ny fampiasana helikoptera ny eny an-tanety.

Nohadihadiana ny fidiram-bolan’ny mpanjono madinika, sy ny fandraisana anjaran’ny jono madinika eo amin’ny lafiny toekarena, any amin’ny kaominina miisa 13 ao anatin’ny distrika Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Ambovombe Androy. Nanatanteraka izany ny Fitantanana ny antontanisa sy ny teti-pivoarana ao amin’ny minisiteran’ny Jono.

Mitentina 1 601,7 miliara Ar ny fanafarana akora fototra nataontsika hatramin’ny faran’ny volana avrily teo. Milanja 270 400 taonina izany ary 557,5 miliara Ar ny vola lany tamin’izany. Tafakatra hatrany amin’ny 1,038 tapitrisa taonina kosa ny totalin’ny akora fototra nafaran’i Madagasikara nandritra ny efa-bolana voalohan’ny taona.

Maherin’ny 223 000 ny mpandeha fiaramanidina teto Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2024. Miisa 82 000 ireo mpandeha tamin’ny volana janoary niakatra 63 000 izany ny volana febroary. Manodidina ny 78 000 izany tamin’ny volana marsa. Avy amin’ny faritra manodidina ny firenena ny 54% an’ireo mpandeha.

Partager sur: