Notaterin’ny Banky iraisam-pirenena, ny febroary 2024 teo, fa miisa 24,8 tapitrisa ny Malagasy miaina anaty fahantrana. Vitsy ny asa miforona miohatra amin’ny fitombon’ny mponina. Tsy manara-penitra ny 95,1%-n’ny asa misy.
Tena iharan’ny tsy fisian’ ny asa any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Nambaran’ i Alban Natsira, mpitantana ny orinasa Yaby Job Service, misahana fanolorana asa any Toliara, fa tsy latsaky ny 150 ny olona mitady asa ho an’ny tolotrasa 10. Ny sehatry ny varotra no tena miroborobo any Toliara. Manaraka ny hotely fandraisam-bahiny sy ny fizahantany. Eo koa ny harena an-kibon’ny tany, saingy mbola maivana. Nomarihiny anefa, fa « tokony hampitombo ny fiforonan’ny asa ireo tetikasa amin’ny harena an-kibon’ny tany efa nanomboka. Miandrandra izany daholo ny tanora marobe, indrindra ireo manana diplaoma ».
Manan-karena i Madagasikara
Voalazan’ny firenena mikambana ao anatin’ny « Vina ho an’i Madagasikara », fa « tokony hamaly ny hetahetan’ny tanora ny fanjakana malagasy amin’ny lafiny fanabeazana, ny fahasalamana, ny asa, ny fotodrafitrasa,…, mba hisorohana ny fikorontanana ara-politika sy sosialy. Manan-karena ambanin’ny tany i Madagasikara, toy ny vy, ny fasimainty, ny nikela sy kobalta, ny volamena, ny solitany, …, afaka mampiakatra ny harinkarena sady miteraka asa ». Manana fijery miabo ny Banky iraisam-pirenena, maminavina fa « azo tratrarina ny fitomboan-karena 4,6% ho an’ny taona 2024-2026 ».
Njaka A.