Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny semi-marathon, i Onjaniaina Patrick Ralaiarimanana, atletan’ny Cosfa sy i Marie Sendrafefiniaina, CAMI Itasy. Fifaninanana notanterahina omaly, teto an-drenivohitra. Voalohany eo amin’ny tantarany ny nandrombahin’izy ireo izany. Niady ny hazakazaka teo amin’ny lehilahy. Nitarika teo am-boalohany, i Jean de La Croix Rakotomalala, mpihazakazaky ny Crown Vakinankaratra narahin’i Fidèle Rambeloson, Cosfa. Nihoaran’i Onjaniaina Patrick izy ireo, teo amin’ny 4 km tsy hahatongavana. Tontosany tao anatin’ny 1 ora 07 mn 14 s ny halavirana 21,098 km. Faharoa, i Fidèle nahavita izany tao anatin’ny 1 ora 07 mn 59 s ary fahatelo i Jean Claude, 1 ora 08 min 07 s. Teo amin’ny vehivavy, tontosan’i Marie Sendrafefiniaina, tao anatin’ny 1 ora 25 mn 54 s ny hazakazaka. Faharoa i Nanie Madeleine Razafindrafara, avy amin’ny AS Fanalamanga, 1 ora 26 mn 39 s ary fahatelo i Faraniaina Ramamonjisoa, 1 ora 33 mn 41 s. Ankoatra ny amboara sy ny medaly, nahazo 300 000 Ar avy ireo mpandresy, tamin’ity.
Tompondaka