RN2: Kamiao 88 nitondra entana mihoatra

Miverina milanja daholo! Nanomboka misokatra sy miasa ny 21 mey teo, ny toeram- pandanjana fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eny Ambo­hi­ma­laza (PK 16) ny toerana ho an’ny kamiao miainga aty Antananarivo mankany Toa­ma­sina. Eny Antsarakofafa (PK 342+500) kosa ho an’ny avy any Toamasina mankaty Antananarivo.
Voafetra ny vesatry ny entana azon’ny fiara vaventy entina, araka ny lalàna. Na­ha­tratra 940 ny kamiao voalanja nanomboka ny 21 mey teo, ka nitondra vesatra mihoatra ny 88 tamin’izy ireo. Niharan’ny sazy ireo nandika lalàna ka tsy maintsy nampidinina ny entana. Anjaran’ny tompon’entana avokoa ny fampidinana, ny fiambenana ary ny famindrana amin’ny fiara hafa.
Tsy niasa an-taona maro
Tsiahivina fa tsy niasa efa aman-taona ireo toeram-pandanjana fiara vaventy ireo, ka anisan’ny nanafaingana ny fahasimban’ny lalam-pirenena. Tena voakasik’izany ny RN 2, ny RN 4 eny Maeva­tanana ary ny RN 7 eny Amba­tolampy. Azo heverina fa hiverina hisokatra ihany koa ireto roa farany.

Njaka A.

Partager sur: