Nijery ifotony ny fizotry ny asa any amin’ny lalam-pirenena RN 12, mampitohy an’Irondro sy Vangaindrano, sy ny RN 24, mampifandray an’Andranomborondolo hatrany Vohilava ny Fitantanam-paritry ny Asa vaventy (DRTP) Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.
Niaraka tamin’izy ireo koa ny avy amin’ny orinasa La Précision manao ny asa, ny Bureau d’études Asa Taratra, manombana ny fizotry ny asa efa natao. Marihina fa mbola miato ny asa amin’izao fotoana izao, satria mbola misy ny orana.
Maro ny toromarika nomena ny orinasa, mahakasika ny fanarenana haingana ny asa vita, mbola nahitana tsy fahatomombanana madinika. Mitohy koa ny fanamboarana ireo birao sy tranom-panjakana any Mananjary, Ifanadiana, Manakara ary Vangaindrano.
Mahakasika ny RN 24, narahi-maso ireo lalana simba, nijerena ny hanafainganana ny asa tena maika, rehefa tonga ny vanim-potoan’ny maintany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Rafitra vonjy taitra sy ny tranga mety hitranga (CERC), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, ny fanarenana ny RN 12 sy ny RN 24.
Mirefy 302 km ny lalana RN 12 (Irondro-Vangaindrano), raha 45 km ny RN 24 (Andranomborondolo – Vohilava).
Toamasina
Ankoatra ireo, efa mandeha ny fanarenana ny ampahan-dalana any Toamasina, araka ny toromariky ny filoha Rajoelina, nandritra ny diany tany an-toerana. Voakasik’izany ny eo amin’ny tobin-tsolika Jovena Ambalamanasy (RN 5) hatrany amin’ny fihodinana St-Paul, mihazo ny RN 2. Nojeren’ny filoham-pirenena koa ny fanadiovana ny lakandranon’i Pangalana.
Nentanina hatrany ny mponina hanaja ny fahadiovana sy hitandrina ny fotodrafitrasa ho an’ny daholobe toy izao, ka anisan’izany ny tsy tokony hanariana ny fako any anaty lakandrano.
Njaka Andriantefiarinesy